Boky natao ho fanatevenam-pahalalana

Eto no ahitanao ireo boky nosoratan’i ANDRIAMBOAVONJY Hanitriniaina Ravaomalala, boky mifameno sy mifampitohy, ahaizanao ireo kabary samihafa. Boky ahafantarana ireo soatoavina malagasy, ahitanao ny kanton’ny vanim-potoana ankehitriny, hampiavaka ny kabary izay ataonao amin’ny andro iray toa zato. Manasa anao ary hamaky, hianatra, hampihatra izay azo norantovina ato anaty boky. Kabary, antsika jiaby !
HASIN-KABARY 1
HASIN-KABARY 1
HASIN-KABARY 2
HASIN-KABARY 2
HASIN-KABARY 3
HASIN-KABARY 3
AMBOARAN-KABARY 1
AMBOARAN-KABARY 1
AMBOARAN-KABARY 2
AMBOARAN-KABARY 2
AMBOARAN-KABARY 3
AMBOARAN-KABARY 3

Mombamomba ny Mpanoratra

ANDRIAMBOAVONJY Hanitriniaina Ravaomalala

Mpikabary - Mpanoratra kabary - Mpandrindra lanonana

  • Filoha vehivavy voalohany nitantana ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (FI.MPI.MA), nanomboka ny taona 2006, ary nitantana ny fikambanana nandritra fe-potoam-piasana dimy (2006 – 2026).
  • Mpikambana ao amin’ny Akademia Malagasy.
  • Mpandraharaha amin’ny sehatry ny fandraisam-bahiny sy fizahan-tany.
  • Mpandraharaha amin’ny sehatry ny Haihaingo vita malagasy.
  • Mpampianatra kabary eo anivon’ny FI.MPI.MA. amin’ny toeram-pianarana maro, indrindra ny ampitain-davitra.
  • Mpampianatra kabary ao amin’ny Sekoly manofana ho mpiasam-panjakana ambony eto Madagasikara (ENAM) (2005–2024).
  • Nanoratra boky kabary miisa enina.
  • Manana ny mari-pahaizana Maîtrise ès Lettres, Sampana Teny sy Lahabolana ary Riba Malagasy, taranja Haiolona (Anthropologie), Oniversiten’Antananarivo.
  • Manana ny Mari-pahaizana Master en Sciences de l’éducation, Ecole Normale Supérieure, Oniversiten’i Fianarantsoa.
  • Manana ny Mari-pahaizana Master en hôtellerie et tourisme, Parcours Management approfondi, Institut National de Tourisme et d’Hôtellerie, Antananarivo.
  • Notoloran’ny Ministeran’ny Kolontsaina ny loka « Hasin’ny Kanto 2017 » sy ny mari-boninahitra « Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture ».
  • Manana ny mari-boninahi-pirenena « Commandeur de l’Ordre National » tamin’ny taona 2014.
Sary Mpanoratra

Fifandraisana

Mailaka

info@hanitriniaina.mg

WhatsApp

+261 34 32 703 07

Azo atao ihany koa ny manoratra amin'ny takelaka etsy ankilany raha manana fanontaniana na fanamarihana ianao.

Hanoratra